Actualité
AMBOASARY ATSIMO – Olona sivy namoy ny ainy, 12 naratra tamin’ny fivadihana kamiao mpitatitra eladrano tany Tranomaro
24

2424.mg Actualité & Reportages

29 octobre 2026

AMBOASARY ATSIMO – Olona sivy namoy ny ainy, 12 naratra tamin’ny fivadihana kamiao mpitatitra eladrano tany Tranomaro

Olona sivy namoy ny ainy, 12 hafa naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny fokontany Ampilira, kaominina ambanivohitra Tranomaro, distrikan’Amboasary Atsimo, ny alarobia tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Fivadihana kamiao iray mpitatitra eladrano vokatry ny fahavakisana kodiarana aloha no nahatonga ny loza.

Fito tamin’ireo naratra no tena voa mafy ka nentina notsaboina ao amin’ny hôpitaly Ambovombe, araka ny fanazavana avy any an-toerana. Manaraka fitsaboana ao Tranomaro kosa ireo dimy ambiny raha natolotra ny fianakaviany ireo vata mangatsiakan’ireo namoy ny ainy.

Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, nitondra eladrano milanja 15 taonina sy mpandeha maromaro ilay kamiao tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Avy naka ireo harena ankibon’ny tany ireo indrindra tany Andranodambo, kaominina ambanivohitra Maromby, distrikan’i Amboasary Atsimo ho any Taolagnaro ilay kamiao no tratran’ny loza teo amin’ny fokontany Ampilira.

Ny fahavakisan’ny kodiarana aloha no voalaza fa nitarika ny loza. “Vaky tampoka ny kodiarana aloha an’ilay kamiao rehefa nanitsaka toerana fiampitan-drano amin’ny lalana (radier)”, hoy ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra avy any an-toerana izay azo antso an-tariby. “Tsy nisy rivotra intsony ilay fiara ka niteraka tsy fisiana hisitra”, hoy hatrany izy. “Tsy voafehin’ny mpamily intsony avy eo ny familiana ka nivadika avy hatrany ilay fiara”, hoy ity tomponandraikitra ity.

Anisan’ny olana sedrain’ny mponina any amin’iny faritra iny ny fahavitsian’ny fiara taksiborosy. Araka ny fanazavana voaray, indroa isan-kerinandro raha be indrindra no misy taksiborosy miasa amin’iny faritra iny. Vokatr’izany, misy amin’ireo mponina no manararaotra ny fandalovan’ireo kamiao mpitatitra harena ankibon’ny tany mba hahafahany mivezivezy.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires