Zokiolona mihoatra ny 70 taona efa ho 400 no tonga nisoratra anarana teny anivon’ny boriborin-tany enina eto Antananarivo Renivohitra hatramin’ny nisokafan’ny fisoratana anarana ny zoma lasa teo. Tsy mampiahiahy azy ireo loatra ny fiantraikany tsy iriana mety hitranga, hoy ireo niresaka taminay. Ny tombontsoa hoy izy no ho betsaka noho izay mety ho tranga itatra hiseho. Ny hiarovan-tena amin’ny aretina no antony nisoratan’izy ireo anarana.
Ny dadabenareo sy ny bebenareo koa ve efa nisoratra anarana?

