
2424.mg Actualité & Reportages
15 octobre 2026
FAHATSIAROVANA – Naverina tamin’ilay sary sokitra teo aloha ny tsangambato fahatsiarovana ny Filoha teo aloha Tsiranana Philibert tany Antsohihy
Niverina tamin’ny laoniny. Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana ny mpitondra tenin’ny fianakavian’ny Filoha teo aloha Tsiranana Philibert, sady mpitarika ny antoko PSD, Eliana Bezaza, fa noesorina tsy naranty intsony teo afovoan-tanànan’Antsohihy ilay sary vongana vaovao maneho ny Filoha teo aloha Tsiranana Philibert. Efa ilay sary sokitra taloha indray no niverina tamin’ny toerany. Nolazainy tamin’ny mpanao gazety fa “tena mihaino ny fitarainana no sady mandray andraikitra anatin’ny fotoana fohy” ny mpitondra fanjakana.
Niteraka fanehoan-kevitra tsy fankasitrahana maro teny amin’ny tambajotran-tserasera ny fahitana ilay sary vongana vaovao napetraka tamin’ity herinandro ity teo amin’ilay sary sokitra taloha. Anisan’ny naneho ny alahelony tamin’ny nanovana ilay sary sokitra teo aloha ihany koa ny fianakavian’ny Filoha teo aloha Tsiranana Philibert sy ny antoko natsangany. Ankoatra ny voalaza fa tsy fisian’ny fifampiresahana dia anisan’ny nampalahelo azy ireo ny endrik’ilay sary vongana vaovao izay nambarany fa tsy mitovy velively amin’ny dadabeny na ny endrika na ny vatana.

