Actualité
FANDRIAMPAHALEMANA – Telo andro hampahafantarana ny andraikitry sy ny anjara asan’ny Polisimpirenena ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona
24

2424.mg Actualité & Reportages

23 octobre 2026

FANDRIAMPAHALEMANA – Telo andro hampahafantarana ny andraikitry sy ny anjara asan’ny Polisimpirenena ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona

 

Manana anjara toerana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana ny polisimpirenena. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona nijoroany izao indrindra, hampahafantarina ny besinimaro eny amin’ny Tranom-bokim-pirenena Anosy amin’ny alalan’ny kermesy ireo andraikitra sy ny anjara asany ho fanakaikezana be be kokoa ny vahoaka malagasy. Haharitra telo andro ny hetsika izay nanomboka tamin’ny zoma ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady ho avy izao.

Hita mandritra io telo andro io ireo trano heva maromaro mampiseho ireo sehatra iasan’ny Polisim-pirenena, toy ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, ny fisorohana sy ady amin’ny heloka bevava, ny fiarovana ny olona sy ny fananany ary ny fandaminana ny fifamoivoizana. Aseho amin’izany ihany koa ireo fitaovana ampiasain’ny Polisy amin’ny fanatanterahana ny asany, anisan’izany ny moto sy ny stand de tir.

Hita eny an-toerana ihany koa ny trano hevan’ny Fikambanan’ny vadina polisy sy polisy vavy (Fivapova) izay mampiranty ny asa tanana malagasy ary ireo sehatra momba ny fahasalamana sy ny fikarakarana ny tena. Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy fitiliana maimaim-poana momba ny diabeta, ny homamiadan’ny nono, ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza indrindra amin’izao fanamarihana ny “octobre rose” izao ho fanampiana manokana ny vehivavy.

Tonga nanokatra ny kermesy teny amin’ny tranom-bokim-pirenena ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Erick Michel, izay notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Ranjavololona Julie Claudette ary ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police Tsaramonina Ravony Jean Victor. Nambaran’ny Minisitra nandritra izany fa natao hanamafisana indrindra ny fifandraisana amin’ny vahoaka sy hampahafantarana ny andraikitra sahanin’ny Polisim-pirenena izao fampirantiana izao.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires