Actualité
FITATERANA – Ho mafy ny sazy miandry ilay mpamily sy tompon’ilay fiara nanao lozam-pifamoivoizana tany Betroka, hoy ny minisitry ny Fitaterana
24

2424.mg Actualité & Reportages

19 novembre 2026

FITATERANA – Ho mafy ny sazy miandry ilay mpamily sy tompon’ilay fiara nanao lozam-pifamoivoizana tany Betroka, hoy ny minisitry ny Fitaterana

Fitaterana olona ivelan’ny faritra iasana tsy nahazoana alalana. Fitondrana olona mihoatra amin’ny isa voafetra. Henjankenjana ny vesatra voalaza fa mety hanenjehana ny mpamily sy ny tompon’ilay fiara niharan’ny lozam-pifamoivoizana tany Betroka ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo ka namoizana ain’olona 27. Araka izany, “tsy maintsy ho mafimafy ny sazy atao na ho an’ny mpamily na ho an’ny tompona fiara manoloana iny tranga iny”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetry ny andro, Andrianavalona Herizo Ramanambola .

 

Nambaran’ny minisitra fa ahiahiana ho nandeha an-tsokosoko tsy nandalo Antoko-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) naka fahazoan-dalana io fiara io. Mbola nohamafisiny ihany koa fa tsy fiara manao fitaterana any amin’iny faritra atsimo iny io fiara io na ilay mpamily aza tsy mahafantatra tsara ny lalana mianatsimo. Anisan’ny vesatra mety hanenjehana azy ihany koa ny fitondrana olona mihoatra ny tokony ho izy. “Na ny isan’ny mpandeha noentiny mbola tsy fantatra firy marina ny tena isan’ny olona ”, hoy ny minisitra.

 

“Hisy ny fepetra horaisina manoloana izao tranga izao”, hoy ny minisitra satria samy manana andraikitra amin’ny fiarovana ny mpandeha na ny mpamily na ny tompon’ny fiara fa “tsy ho matin’ny sitrany ahay”. Nohamafisiny fa tokony hatao lohalaharana hatrany ny ain’olombelona, alohan’ny tombontsoa ara-bola azo amin’ny saran-dalana. Mbola tazomina atao famotorana ao amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny distrikan’i Betroka ilay mpamily nanao lozam-pifamoivoizana amin’izao fotoana izao, raha ny filazan’ny tomponandraikitra avy any an-toerana.

 

Nampanontany tena an’Andrianavalona Herizo Ramanambola ihany koa ny tsy nahitana io tsy fanarahan-dalàna nataon’ny fiara ity satria nandalo teboka maromaro vao tonga tamin’ny toerana nitrangan’ny loza nefa tsy voasakana mihitsy. Nomarihiny fa “efa natsangana ny task force ho fanamafisana ny fanaraha-maso saingy mbola misy hatrany ny tranga tahaka izao”. Miantso ny tsirairay mba handray ny andraikiny fa tsy hanao ny fanaraha-maso toy ny fanao mahazatra fotsiny, izy araka izany.

 

Ankoatra ireo 26 namoy ny ainy ny talata teo, dia voalaza fa fatim-behivavy iray no hita tamin’ny alarobia tokony ho tamin’ny 3ora tolakandro. Tafiakatra 27 araka izany ny isan’ireo olona maty vokatry ny fipaohan’ny rano trambo ilay fiara fitaterana raha iny saika hiampita ny vavaranon’ny Sakave, kaominina ambanivohitr’i Ianabinda, distrikan’i Betroka, iny izy. Ankizy sivy sy olon-dehibe 18 ireo fantatra fa namoy ny ainy ireo.

 

Mitohy kosa ny fikarohana ireo mpandeha mbola tsy hita popoka hatreto, ary anisan’izany ny zaza telo volana, zanak’ilay renim-pianakaviana vao hita faty ny alarobia teo. “Efa natao ny fanairana ireo tanàna manodidina ny reniranon’i Sakave fa mbola tsy hita ireo olona nokarohina. Efa nisy koa ny fampilazana amin’ny onjampeo”, hoy ny fanazavana. Olona sivy no voalaza fa tafavoaka velona tamin’ity loza ity.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires