
2424.mg Actualité & Reportages
18 novembre 2026
FITATERANA – Tsy hiakatra ny hofan’ny posy, nahemotra ny fe-potoana fandoavan-ketra ary nofoanana ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ao Antsirabe
Marimaritra iraisana. Napetraka ny lamina hahafahana mamaha ny olan’ireo “cyclo-pousse” mpitatitra ao Antsirabe. Anisan’ny fepetra nifanarahana ny tsy fampiakarana ny hofan’ireo posy. Nahemotra ihany koa ny fe-potoana fahafaha-manefa ny hetra alaina amin’io fitaovam-pitaterana io raha toa ka tokony hifarana amin’ny volana desambra ho avy izao izany. Nanao fanambara koa ny avy amin’ny prefektioran’Antsirabe ny talata fa foana ny tsy fahafaha-mivezivezy amin’ny alina ao Antsirabe voalohany, fepetra noraisina nanomboka ny alin’ny sabotsy lasa teo ho fitandroana ny filaminana, taorian’ny fitokonana nataon’ireo mpitatitra posy ao an-tampon-tanànan’Antsirabe.
Ny fivoriana niarahan’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana sy ireo tompona “cyclo-pousse” tamin’ny alatsinainy teo no nandraisana ireo fanapahan-kevitra ireo. Nomarihin’ny tompon’andraikitra fa ny fitakiana ny hetra isaky posy izay nitarika ny fampiakarana ny hofan’ny posy alaina isan’andro amin’ireo mpitarika no tena fototr’iny fitokonana niseho ny sabotsy 14 novambra teo iny. Nohazavaina tamin’ireo tompona posy, araka izany, fa efa voafaritry ny lalàna ny famerana io hetra tambatra 35 000 Ariary isan-taona io ka tsy azo atao ny mikitika izany. Fepetra noraisina kosa anefa ny fanemorana ny fandoavana io hetra io hatramin’ny taona ho avy, raha toa ka tokony hifarana amin’ny volana desambra 2026.
Ho fitsinjovana ireo mpitarika posy izay nanao fihetsiketsehana dia tapaka nandritra io fivoriana io fa tsy hisy ny fampiakarana ny hofana posy ho 7 000 na 8 000 Ariary. Mijanona amin’ny hofany teo aloha, 3 500 hatramin’ny 5 000 Ariary ihany izany. “Araka izany dia milamina ny olana ho an’ireo mpitatitra sy tompona posy”, hoy Randrianaivo Ravakiniaina, prefen’Antsirabe. Nohamafisiny anefa fa mbola mihatrana eny an-kianja hatrany ireo mpitandro filaminana, manamafy ny fanaraha-maso.
Miisa 22 ireo olona voasambotra nandritra iny hetsika tamin’ny sabotsy lasa teo iny. Nanao fandikan-dalàna izy ireo, ary tsy hilefitra amin’izany ireo mpitandro filaminana, araka ny fanambaran’ny tompon’andraiki-panjakana. Nisy tamin’ireo voasambotra ireo ny nanimba fananan’olon-tsotra, nanimba fananana iombonana sy fitaovam-panjakana, ary nitondra fitaovam-piadiana miharihary toy ny antsy, lefona, kibay ary vato. Mbola mitohy ankehitriny ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity. Ankoatra ireo efa voasambotra dia mbola misy koa ireo olona mbola karohina, hoy hatrany ny mpitandro filaminana.

