
2424.mg Actualité & Reportages
21 octobre 2026
HERINARATRA – Mitaraina ho lasibatry ny halatra gazoala sy taribin-jiro ny orinasa Jirama
Miteraka fatiantoka ho an’ny orinasa Jirama. Ankoatra ireo olana hafa sedrainy dia milaza ho lasibatry ny halatra gazoala sy ny halatra taribin-jiro ihany koa tato ho ato io orinasa mpamokatra herinaratra sy rano fisotro madio io. Tranga niseho tany Antsiranana sy tany amin’ny Faritra Itasy tato anatin’ny andro vitsy lasa izay no taterin’ny orinasa izay manamafy ny fanentanana amin’ny fitsinjovana ny vahoaka sy ny fanajana ny fananana iombonana ny orinasa.
Raha ny nambaran’ny Jirama tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity dia fiarabe nitondra gazoala 21 000 litatra tokony hampiodinana ireo milina mpihary herinaratra any Antsiranana no nokasaina saika hahodina, rehefa navily lalana. Tamin’ny fotoana nahatraran’ny mpitandro filaminana izany tranga izany dia gazoala 1 400 litatra no efa tafafindra tao anaty siny miisa 70, ary efa tsy tao an-toerana intsony ny mpamily sy izay olona hafa niaraka taminy.
Ankoatra io tany Avaratry ny Nosy io, nanambara ihany koa ny Jirama ny talata teo fa taribin-jiro mpitondra herinaratra mavesatra, teo anelanelan’Ambatomainty sy Ambolomanjakarivo, any amin’ny Faritra Itasy, no saika nisy nangalatra. Notapahan’ireo olon-dratsy ny herinaratra. Tapaka niaraka tamin’izany ihany koa ny taribin-jiro izay nilatsaka tamin’ny tany ka niteraka firehetana, nahatonga doro tanety.
Tsy vao sambany fa efa matetika no ahitana izany fangalarana taribin-jiro izany any amin’iny Faritra Itasy iny, raha ny voalazan’ny Jirama. Ny teny Mahitsy indray dia ny IACM na ny “Interrupteur Aérien à Commande Manuelle” iray tao Ambohinaorina-Ankazo no lasan’ireo olon-dratsy ary mbola saika nangalariny niaraka tamin’izany koa ny tariby mpitondra herinaratra mavesatra. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ireo tranga rehetra ireo. Herinandro lasa izay, tany Toamasina, lehilahy iray mpangalatra taribin-jiro hatrany no voasambotry ny polisy.
Entin’ny Jirama manaporofo fa maro ireo tranga mety hanelingelina ny famatsiana herinaratra izay tsy miankina loatra avy amin’ny orinasa Jirama. Raha ny tatitra tamin’ny taon-dasa dia efa maherin’ny 700 tapitrisa Ariary ny fatiantoka nateraky ny halatra solika tao amin’ny Jirama teo anelanelan’ny taona 2020-2023. Manolona ireo rehetra ireo, manamafy fanentanana amin’ny fitsinjovana ny vahoaka sy ny fanajanana ny fananana iombonana ireo tompon’andraikitra. Manaitra ny mponina mba hiantso avy hatrany ny laharana maitso 547, hampandre ny masoivohon’ny Jirama na hiantso mpitandro filamina, raha toa ka mahatsikaritra tranga hafahafa eny anivon’ny fiarahamonina.

