Actualité
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA – Nalefa tamin’ny fiaramanidina hotsaboina aty Antananarivo ireo efatra tena naratra mafy tany Antsohihy, olona 11 no namoy ny ainy
24

2424.mg Actualité & Reportages

18 novembre 2026

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA – Nalefa tamin’ny fiaramanidina hotsaboina aty Antananarivo ireo efatra tena naratra mafy tany Antsohihy, olona 11 no namoy ny ainy

Olona efatra naratra mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahazo fiara marika Sprinter mpitatitra olona tany Antsohihy no nafindra haingana aty an-drenivohitra mba hitsaboana azy ireo. Fiaramanidin’ny Tafika Malagasy no nitondra azy ireo ny talata hariva. Isan’ireo nafindra ny zaza roa taona. Ahiana mafy ny fahasalaman’ireo naratra efatra ireo.

Olona 11 no namoy ny ainy ary fito hafa naratra tamin’io loza io, izay nitranga ny talata teo tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, teo amin’ny tetezan’i Marakely, anelanelan’Anjiamangirana sy Betomendry, manodidina ny 30 km miala ny tanànan’Antsohihy. Fiara mpitatitra olona amin’ny zotra nasionaly Antananarivo-Antsohihy no niharan-doza.

Araka ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra any an-toerana, fahasimbana ara-teknika nahazo ilay fiara no nahatonga ny loza. “Tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana. Niafara tamin’ny fianjerany tany ambanin’ny tetezana izany, izay vato be avokoa ny tao ambany”, hoy ny fanampim-panazavana.
Isan’ireo namoy ny ainy ny mpamily, araka ny vaovao voaray.

Ankoatra ireo efatra nafindra aty an-drenivohitra, dia misy telo hafa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly lehibe any Antsohihy. Tsy ahiana ny fahasalaman’izy ireo, saingy mbola mila fanaraha-maso akaiky, araka ny fanazavana azo.

Nandray an-tanana ny fikarakarana ireo niharam-boina ny fitondram-panjakana, ka nandefa fiaramanidina miaramila hamindrana ireo naratra mafy ho eny amin’ny Hopitaly Joseph Raoahangy Andrianavalona, mba hahazoan’izy ireo fitsaboana mifanaraka amin’ny toe-pahasalamany.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires