
2424.mg Actualité & Reportages
17 novembre 2026
BETROKA – Olona 26 namoy ny ainy rehefa nofaohin’ny rano trambo tao amin’ny reniranon’ny Sakave, Ianabinda, ny fiara nitondra azy
Namono olona indray ny rano trambo. Olona 26 no namoy ny ainy, dimy hafa mbola tsy hita popoka, taorian’ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny distrikan’i Betroka, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata. Fiara marika sprinter iray nitondra mpandeha avy any Bekitro hiakatra Antananarivo no voafaokan’ny rano trambo tao amin’ny reniranon’i Sakave, fokontany sy kaominina ambanivohitr’i Ianabinda, distrikan’i Betroka, lalam-pirenena faha-13 (RN13). Olona sivy no tafavoaka velona tamin’ity loza ity.
Teo anelanelan’ny 1 ora sy 2 ora maraina tany ho any no nitrangan’ny loza, tao anatin’ny oram-be nikija nanomboka ny harivan’ny alatsinainy tokony tamin’ny 7ora. Araka ny fanazavana avy any an-toerana, efa teo ambony fiampitana ilay fiara, izay mirefy 25 metatra eo ho eo, no maty tampoka ny jirony. Vao tafiditra teo afovoan’ny fiampitana anefa izy dia indro fa tonga ny rano trambo, ka voasarika ilay fiara mpitatitra olona.
Tao anatin’ny torimaso ihany koa ny ankamaroan’ireo mpandeha tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. « Olona efatra no tafavoaka voalohany, rehefa nandaka ny fitaratra teo amin’ny sisin’ny fiara », hoy ny fanazavana avy any amin’ny loharanom-baovao any an-toerana. « Izy ireo ihany koa no nahafahana nampandre ny manodidina ny amin’ny loza, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina », hoy hatrany ny loharanom-baovaonay.
Manodidina ny 40 ny isan’ny olona tao anaty fiara. Olona 26 no efa hita faty, ahitana zaza, vehivavy ary lehilahy. Nambara fa nisokorina avy tao anaty fiara daholo izy ireo. Tsy nisy naiditra hopitaly ireo sivy tafavoaka velona, na dia nisy roa naratra teo amin’ny handrina aza, izay efa nahazo fitsaboana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona dimy tsy hita, iarahan’ny fokonolona sy ny Zandarimaria.
Araka ny fanazavana avy any an-toerana hatrany dia fiara mpanao fanofana ilay Sprinter, fa tsy fiara mpitatitra an’ny kaoperativa. Avy any Ambondromamy nitondra razana ho any Atsimo ity fiara niharan-doza ity ary nandray mpandeha teny an-dalana rehefa an-dalana niverina. Notazonina sy natao andrimaso ny mpamily taorian’ny loza, ho fiarovana azy amin’ny mety ho fihetsiky ny fianakavian’ireo niharam-boina.
Mbola tao anaty rano ny fiara tamin’ny 10 ora mahery maraina, na dia efa nahitana fihenana aza ny rano. Nisy kamiao nampiasaina hisintonana azy ho eny amoron-drano. Tsy vao izao no nisy tranga tahaka izao tany Betroka. Nampahatsiahivin’ny loharanom-baovaonay fa efa nisy loza toy io nitranga io tany an-toerana ny 27 novambra 2024.

