À la une
NOFERANA IREO OLONA AFAKA MIDITRA SY MIVOAKA NY FARITRA VAKINANKARATRA
24

2424.mg Actualité & Reportages

20 mai 2020

NOFERANA IREO OLONA AFAKA MIDITRA SY MIVOAKA NY FARITRA VAKINANKARATRA

Tao aorian’ny fanitsiana nataon’ny teo anivoan’ny Foibem-pibaikoana ny ady amin’ny Coronavirus ny amin’ny ahafahana mifamezivezy dia nanamafy ny fanaraha-maso ireo olona miditra sy mivoaka ny faritra Vakinankaratra ny eo anivon’ny zandarimaria sy ireo mpanara-maso ara-pahasalamana.
Sakana roa no tsy maintsy lalovana raha ho any Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Ny voalohany dia eo am-pivoahana ny faritra Analamanga afaka kely an’Analamanga Park ary ny faharoa dia eo am-pidirana ny tananan’Antsirabe, eo Andranomanelatra ny marimarina kokoa. Nanamafy ny lietnà Arielle Volamanesy, Officier mpanampy – eo anivon’ny kaompania Ambatolampy fa noferana ireo olona miditra sy mivoaka ny faritra nanomboka ny alatsinainy 11 may tamin’ny 12 ora atoandro.

ConfinementCoronavirusSanté

Les commentaires sont fermés pour cet article.

Chargement des commentaires...

Articles similaires