
2424.mg Actualité & Reportages
06 novembre 2026
Ny vidim-pidirana eny amin’ny valanjavaboahary: Vola miverina ho an’ny fiarovana ny natiora sy ny fampandrosoana eny ifotony
Nandritra ny 14 taona, tsy nisy fanitsiana ny saram-pidirana eny amin’ireo Valanjavaboahary tantanin’ny Madagascar National Parks (MNP). Nandritra izany fotoana izany anefa, nitombo hatrany ny tsindry mianjady amin’ny harena voajanahary sy ny fandaniana entina miaro azy. Taorian’ny fandinihana sy ny fifanakalozana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny taona 2024, dia nisy ny fanitsiana ny saram-pidirana izay nampiharina nanomboka ny 1 Novambra 2026.
NY VOLA DEAP : TOMBONTSOA MIVERINA HO AN’NY FIAROVANA SY NY MPONINA
Tsy mijanona ho an’ny Madagascar National Parks irery ny vola azo avy amin’ny Saram-pidirana amin’ny Valanjavaboahary fa mizara ho 65 % ho an’ny fiarovana, ny fanaraha-maso sy ny fisafoana ; 20 % ho an’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony; 10 % ho an’ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana; ary 5 % ho an’ny fitantanana.
Amin’ny alalan’ny Part des Recettes des Droits d’Entrée dans les Aires Protégées (PRDEAP) na ny tamberim-bidy no anatanterahana ny famerenana ampahany amin’ny vola ho an’ny vondrom-piarahamonina ary izy ireo ihany no mamaritra ireo laharam-pahamehana sy ny asa atao araka ny filan’ny faritra misy azy. Na dia nisy aza ny fampiatoana izany nandritra ny fotoana ela, dia naverina indray ny fampiharana ny tamberim-bidy taorian’ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantanan’ny Madagascar National Parks tamin’ny volana Aogositra 2025.
Amin’ity taona voalohany namerenana ny PRDEAP ity dia ny COSAP na ny Komitin’ny Fanohanana ny Faritra Arovana no nanankinana ny fanatanterahana ny fikirakirany ny tolobidy sy ny tsenambarotra, ary namafisina ny fahaiza-manaon’izy ireo. Hita anefa fa mbola sahirana izy ireo ka noraisin’ny MNP an-tanana izany mba hanajana ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fampiasana ny vola ary hanafainganana ny fanantanterahana ny asa. Tanisaina amintsika manaraka eto ireo Mpikambana ao amin’ny COSAP dia ny :
• Vondron’ny olom-boafidy (Ben’ny Tanàna, Solombavambahoaka)
• Vondron’ny manampahefana (Lehiben’ny Distrika, Prefet, Lehiben’ny Fokontany, Solontenan’ny Boriborintany)
• Vondron’ny olo-manan-kaja (Mpanjaka sy raiamandreny ara-pomba amam-panao ary ara-pivavahana)
• Vondron’ireo Sampandraharaham-panjakana itsinjaram-pahefana (DREDD, CEF, CIRAGRI, DRS, sns.)
• Vondron’ireo mpandraharaha ara-toekarena (Tompon’ny hotely, trano fisakafoana, mpitatitra, sns.)
• Vondron’ny fiarahamonim-pirenena (CLP, VOI, fikambanana sy vondron’olona ifotony, sns.)
Arakaraka ny isan’ny mpitsidika vahiny dia mahatratra 10 hatramin’ny 150 tapitrisa Ariary isan- taona ny vola miverina ho an’ny vondrom-piarahamonina isaky ny Valanjavaboahary. Ho an’ny Valanjavaboaharin’i Ranomafana manokana, dia efa nahavoaray ny anjarany izy ireo izay mitentina 100 tapitrisa Ariary latsaka kely hanatanterahana ireo asa nofaritan’ny COSAP toy ny fanarenana sekoly miisa roa ao Androy, iray ao Kelilalina, ary iray ao Ambohimiera, ny fanomezana dabilio ao Tsaratanana, ny fanarenana ny tobim-pahasalamana ao Morafeno, ny fanohanana ny fiompiana tantely ao Ambalankindresy, ny fizahantany tantanin’ny vondrom- piarahamonina ao Ranomafana.
Ankoatra ireo tamberim-bidy ireo dia nanampy manokana ny Madagascar National Parks tamin’ny fanamboarana ny tetezana tao Mandrivany izay mirefy 45m mampitohy ny Kaominina Kelilalina sy Tsaratanana, satria dia tandindomin-doza foana ny vahoaka rehefa miampita eo ary misy mihintsy ireo aina nahafoy. Toy izany ihany koa, ho fiadiana amin’ny tsy fahandriam- pahalemana ao amin’ny Kaominina Ranomafana, dia manampy ihany koa ny MNP amin’ny famatsiana solon-tsakafon’ireo mpitandron’ny filaminana miandry ny kizo ao Bevoahazo.
Mivelatra amin’ny sehatra maro ny tetikasa tohanan’ny tamberim-bidy : fanatsarana ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanorenana sy fanarenana sekoly, ny tranon’ny mpampianatra fanomezana fitaovam-pianarana, fanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanarenana tobim-pahasalamana, fanatsarana ny velon-tenan’ny mponina manodidina ny Valanjavaboahary amin’ny alalan’ny fizarana masom-boly, ny fiompiana, ny fanamboarana lakandrano sy tohadrano ; fanamorana ny fivezivezen’ny Mponina sy ny vokatra amin’ny fanatsarana ny lalana sy ny fanamboarana tetezana.
Manampy akaiky ny Kaominina ihany koa ny tamberim-bidy amin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa toy ny fanamboarana ny tranompokonolona, ny kianja filalaovanana baolina kitra
… sy ny fanomezana fitaovana toy ny jiro an-dalambe sns.
880 tapitrisa Ariary ny tamberim-bidy hanantanterahana ireo tetikasa miisa 56 nofaritan’ireo COSAP ao anatin’ny ireo Valanjavaboahary miisa 28 mandray mpitsidika tamin’ny taona 2025
: 14 no efa vita tanteraka ankehitriny, 20 no efa nahazo ny vola anjaran’ny tamberim-bidiny, raha mbola misy kosa ireo eo am-dalam-pikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ilaina.
FANOMEZANA LANJA NY HARENA VOAJANAHARY MALAGASY
Miisa 49 ireo Valanjavaboahary tantanin’ny MNP, izay mandrakotra velaran-tany 3,3 tapitrisa hektara. Harena voajanahary miavaka sy sarobidy ho an’i Madagasikara. Misy amin’ireo Valanjavaboahary ireo no vakoka iraisam-pirenenana eo anivon’ny UNESCO. Mitaky ezaka sy loharanom-bola maharitra ny fiarovana azy ireo.
Na dia lehibe aza ny lanjan’ireo Valanjavaboahary eo amin’ny fizahantany sy ny toekarena, dia mbola tsy maharaka ny vola azo ampiasaina amin’ny fiarovana azy raha oharina amin’ny filàna sy ny fandaniana eny an-kianja. Izany indrindra no anton’ny fanintsiana ny saram- pidirana.
Efa tamin’ny taona 2016 dia efa nisy ny fandinihana sy fanadihadiana momba ny fampiakarana ity saram-pidirana ity niarahana tamin’ireo manam-pahaizana momba ny fizahantany. Ny taona 2024 teo no notohizana ireo fanadihadiana ireo ka nandraisan’ ireo mpandraharaha ara- pizahantany miisa 30 anjara ary nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo Valanjavaboahary lehibe mpandray Mpitsidika betsaka indrindra, toa an’i Bemaraha, Isalo, Nosy Hara, Analamazaotra-Mantadia ary Ranomafana.
Tsy fanapahan-kevitra noraisin’ny MNP irery ny fanintsiana ity saram-pidirana ity fa nisy fifampiresahana hatrany niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. Noho ny fangatahan’izy ireo sy ny mahasarobidy ny fifanakalozana sy fihainoana ny mpiara miombon’antoka dia nahemotra herintaona taty aoriana ny fampiharana izany, raha novinavinaina ny 1 novambra 2025 tany am-boalohany.
ANJARA TOERAN’NY FIZAHANTANY ENY AMIN’NY VALANJAVABOAHARY EO AMIN’NY TOEKARENA
Tombanana ho 8 % amin’ny harinkarena faobe (PIB) ny anjara birikin’ny fizahantany ara- boajanahary. Ankoatra ny vola miditra ho an’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny hetra sy ny haba isan-karazany, dia mampiroborobo sehatra ara-toekarena maro ihany koa izy.
Mivelatra manerana ny sehatry ny fizahantany ny tombontsoa aterany : ho an’ireo mpandraharaha ara-pizahantany, hotely, mpitari-dalana, mpanara-dia,mpitatitra, mpanao asa tanana ary ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Tombanana ho asa maintso mihoatra ny 5 000 eo ho eo no mahazo tombony amin’ny fisian’ny Valanjavaboahary.
ANDRAIKITRA IOMBONANA NY FIAROVANA NY HARENA VOAJANAHARY
Misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa ary mihaino ireo mpisehatra rehetra ny Madagascar National Parks, indrindra ireo mpandraharaha ara-pizahantany, mpitari-dalana, vondrom- piarahamonina, mpiara-miombon’antoka ary ny manam-pahefana.
Ny fiarovana ny Valanjavaboahary dia andraikitra iombonana. Mpiandry ireo Valanjavaboahary ireo ny tena antom-pisian’ny Madagascar National Parks mba tsy ho tantara sisa izany ho an’ny taranaka any aoriana. Isika rehetra kosa no misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ireo harena voajanahary ireo. ‘Ndao omentsika lanja izany harena tsy manam- paharoa ananatsika ireo mba ho lovainjafy tokoa.

