Antananarivo, 3 Desambra, 7ora10 – Faritra maro eto Antananarivo no tsy maintsy hiharan’ny fahatapahan’ny herinaratra mandritra ny adiny roa androany alakamisy hariva. Nanambara ny Jirama fa tsy maintsy hampihena 10% ny tahan’ny famatsiany herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina androany alina. Hihena 25MW araka izany ny famokarana herinaratra ka faritra maromaro no tsy hahazo izany.
Tsy ampy hahafeno ny filan’ny tambajotran’Antananarivo fahafahan’ny tohodranon’Andekaleka mamokatra herinaratra noho ny faharitan’ny rano, raha ny fanazavana avy amin’ny Jirama. 22 MW sisa no hany herinaratra azon’ity tohodrano ity vokarina raha 93 MW izany amin’ny mahazatra, hoy ny fanambarana nataon’ny Jirama.
Nanamarika ny Jirama fa tsy maintsy hisy ny fandatsahana orana artifisialy any amin’iny faritra Andekaleka iny raha vao vory ny fepetra rehetra ahafahana manatanteraka izany. Andoharanofotsy sy ny manodidina, Ambohimangakely sy ny manodidina, Analamahitsy sy ny manodidina Itaosy sy ny manodidina ary Analakely sy ny manodidina no tsy maintsy hiharan’izany fahatapahan-jiro izany raha ny fampitam-baovao nataon’ny Jirama.
Sary : Jirama
