Actualité
SOSIALY – Beantitra sy olona manana fahasembanana miisa 372 any Fenoarivo Atsinanana no nahazo tohana avy amin’ny fikambanana Fanjiry
24

2424.mg Actualité & Reportages

29 novembre 2026

SOSIALY – Beantitra sy olona manana fahasembanana miisa 372 any Fenoarivo Atsinanana no nahazo tohana avy amin’ny fikambanana Fanjiry

Fanampiana sy tohana ho an’ireo sokajin’olona marefo. Olona miisa 372, ahitana beantitra 300 sy olona 72 manana fahasembanana ara-batana, no nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana Fanjiry tany Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Vary 300 gony, menaka 300 tavoahangy, savony 300 isa ary ronono 300 kilao no nozaraina tamin’izany. Nahazo bodofotsy 100, kojakoja an-dakozia 372 ary tafo fanitso 50 ihany koa ireo mpisitraka.

Ny filàna andavanandron’ireo sokajin’olona marefo no nomen’ny fikambanana Fanjiry natsangan’ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Elisa Randrianirina, tohana tamin’ity indray mitoraka ity. Ny filoha mpanorina ny fikambanana izay tonga tany an-toerana no nitarika ny hetsika.

Tsy diso anjara tamin’ny fanampiana ihany koa anefa ireo fikambanam-behivavy maro izay tafiditra ao anatin’ireo sokajin’olona tohanan’ny fikambanana. Mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ireo asa sosialy eny ifotony dia notoloran’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana tohana ara-bola ihany koa ireo fikambanana ireo.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires