Actualité
SOSIALY – Miompana amin’ny fampitaovana ny mponina ny fanohanana sy fanampiana ataon’ny fikambanana Fanjiry
24

2424.mg Actualité & Reportages

23 novembre 2026

SOSIALY – Miompana amin’ny fampitaovana ny mponina ny fanohanana sy fanampiana ataon’ny fikambanana Fanjiry

Milina fanjairana, masomboly, zezika, fitaovana fanadiovana, kojakoja fanasan-damba ary fitaovana fanampiana ireo olona manana fahasembanana. Fampitaovana ireo mponina izarana fanampiana no iompanan’ny fanohanana ataon’ny fikambanana Fanjiry, tarihin’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Eliza, ho an’ireo mponina sy fikambanana tany amin’ny faritr’i Manakara, Avaradrano ary Ambohimangakely, nandritra ny hetsika sosialy notanterahina tamin’ny herinandro lasa teo.

Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fahafahan’ireo vondron’olona samihafa miasa sy mamokatra, amin’ny alalan’ny fampitaovana mifanaraka amin’ny filàny. Anisan’ireo nisitraka izany ny tantsaha, ny fikambanam-behivavy, ny tanora, ireo mpanao asa tanana ary ireo olona manana fahasembanana.

Fokontany miisa 18 no nisitraka hetsika fanadiovana faobe ny tanàna sy fanohanana ara-pitaovana tany Manakara. Nomena vary 30 gony ihany koa ireo mponina, ankoatra ny milina fanjairana sy fitaovana fikarakarana sakafo natolotra ireo fikambanam-behivavy. Nahazo kitapo ihany koa ireo mpianatra, ary nisy ny fitaovana natokana hanohanana ny asa fanadiovana.

Tao Sabotsy Namehana, Distrikan’Avaradrano, kosa dia nifantoka tamin’ny fanohanana ny famokarana ny fampitaovana ireo tantsaha. Masomboly, zezika ary fitaovana fambolena no natolotra azy ireo. Nisy ihany koa ny fanomezana fitaovana ho an’ireo fikambanam-behivavy sy ireo tanora mpikatroka amin’ny fanatanjahantena. Seza misy kodiarana sy tehina fanampiana amin’ny fivezivezena kosa no natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana.

Fokontany miisa 18 ihany koa no nahazo fanohanana tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. Masomboly sy fitaovana samihafa no natolotra ireo fikambanan’ny tantsaha. Ho an’ireo mpanjaitra, dia nahitana milina “surjeteuse”, milina fanjairana, “kit couture” ary fera fipasohana ny fitaovana nozaraina. Nomena kojakoja mifanaraka amin’ny asany ihany koa ireo mpanao asa fanasan-damba. Anisan’ireo nisitraka fampitaovana ny vondron’olona misahana ny filaminana teny an-toerana, ary nahazo seza misy kodiarana sy tehina ireo olona manana fahasembanana.

Ankoatra ireo fanohanana ireo dia nisy ny fizarana vary ho an’ireo nisitraka ny fanohanana. Ny hanampy ireo vondron’olona eny ifotony hanatsara ny asa fivelomany, hampitombo ny famokarana ary hahazoana fidiram-bola no tanjon’ny fikambanana Fanjiry. Eo ihany koa ny fanohanana ny fahaleovantenan’ireo tokantrano sy ny fampandrosoana maharitra ny fiarahamonina.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires