
2424.mg Actualité & Reportages
16 octobre 2026
TSENA – Manohitra ny fanapahan-kevitry ny Kaominina Antananarivo amin’ny fanalana azy ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny sampanan’i Mahazoarivo
Raikitra ny sovorovoro. Niteraka fifandirana teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpivarotra ny fandravana ireo toeram-pivarotana eny amin’ny sampanan’i Mahazoarivo, Ambohitsoa. Nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpivarotra voakasiky ny fanesorana, androany, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any, fihetsiketsehana izay tonga hatramin’ny fandoroana kodiarana. Nitarika hatramin’ny fahatapahan’ny fifamoivoizana teny an-toerana ny hetsika.
Ho an’ireo mpivarotra, tsy ara-drariny ny fanesorana azy ireo. Nambaran’izy ireo fa efa 20 taona teo ho eo no nisian’ny tsena teo amin’ilay toerana, izay lazainy fa tanin’olona fa tsy lalan’ny mpandeha an-tongotra. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa tsy niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ny fisian’ireo toeram-pivarotana. Ankoatra izany, nilaza ireo mpivarotra fa nisy ny fampanantenana hanatsarana sy hanavaozana ny tsena, saingy niafara tamin’ny fandravana ireo toeram-pivarotana izany. Anisan’ny antony tsy nampoizin’izy ireo izao fanapahan-kevitra izao izany, araka ny fanazavana.
Fandaminana sy fanadiovana ny tanàna no anton’ny fandravana ireo tsena, hoy kosa ny kaominina. “Manadio sy mandamina ny tanànan’Antananarivo izahay izao. Tsy misy antony hafa ankoatra izay fa fandrindrana sy fandaminana ny tanàna no ataon’ny kaominina”, hoy i Gilles Randrianantoandro, talen’ny tsena eo anivon’ny kaominina.
Nambarany fa efa nahazo fampandrenesana momba ny fanesorana ireo toeram-pivarotana ireo mpivarotra, ny zoma lasa teo. Nohamafisin’ny kaominina fa tanjona amin’izao hetsika izao ny fampanarahan-dalàna ireo tsena sy ny fandaminana ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra.
Miisa roa ambin’ny folo eo ireo tsena voakasika ny fandravana raha ny tatitra avy amin’ny kaominina raha dimy ambin’ny folo kosa ny tarehimarika avy amin’ireo mpivarotra izay ahitana mpivarotra legioma sy anana, kafé sy mofo, kioska sy ny maro hafa. Mbola tsy misy toerana hamindrana azy ireo hatreto raha ny nambaran’ny kaominina. “Mbola tsy mieritreritra an’izany fa mandamina tanàna, manadio tanàna dia fampanarahan-dalàna ny mpivarotra rehetra”, hoy ny talen’ny tsena eo anivon’ny kaominina.

