
2424.mg Actualité & Reportages
13 novembre 2026
ZON’NY ANKIZY – Atao fanadihadiana ny talen-tsekoly iray eto Antananarivo noho ny famatorana rojovy mpianatra telo
Mpianatra telo tao amin’ny Sekoly fanabeazana fototra iray eto Antananarivo no nofatorana rojovy tamin’ny volana martsa teo ka niteraka hatezerana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Anaovana fanadihadiana noho io tranga io ny talen’ilay sekoly enim-bolana aty aoriana rehefa nivoaka teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo mpianatra nifatotra. Efa teny an-toerana ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena nihaino ireo olona voakasika rehetra ary nanamarina ny fisian’ny tranga.
Ankizy fito ka hatramin’ny valo taona no voakasik’ity tranga ity, raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny minisitera. Ny minisitra mihitsy no nitarika ny fanadihadiana ka nohenoina nandritra izany ny talen-tsekoly, ny ray aman-drenin’ireo mpianatra ary ny mpiambina ny sekoly. “Niaiky ny fisian’ity tranga ity izy ireo”, hoy Rakotomalala Dera, tale misahana ny fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly eo anivon’ny ministera. Manamafy izany ihany koa, hoy izy, ireo sary niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy.
Ny talen-tsekoly irery no voakasika amin’ity raharaha ity raha ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra, ny . Mbola mitohy anefa ny fanadihadiana ataon’ny ministera sy ny mpitandro filaminana, mba hamaritana ny zava-nitranga sy ny mety ho fandikan-dalàna, indrindra amin’ny lafiny fanitsakitsahana ny zon’ny ankizy. Anjaran’ny fitsarana no mamaritra ny andraikitra sy ny sazy mety hifandraika amin’izany, hoy hatrany ny loharanom-baovaonay.
Voalaza fa vola very tao an-tsekoly no antony nahatonga ny famatorana rojovy ireo mpianatra telo, izay ao amin’ny taona voalohany amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Ny 16 marsa 2026 no nitrangan’ny raharaha, saingy rehefa niparitaka ny sary vao nahalala ny zava-nisy ireo ray aman-dreny. Niteraka hatezerana teo amin’ireo ray aman-dreny izany, ka nisy ny hetsika teo anivon’ny sekoly tamin’ny alakamisy. Nitaky fanazavana sy ny fanesorana ny talen-tsekoly izy ireo, ary nilanja sora-baventy ho fanehoana ny tsy fankasitrahany ny zava-nitranga.

