Actualité
ANTANANARIVO – Nafindra eny amin’ireo toby fandraisana tsy manan-kialofana ireo olona enim-polo mahery mipetraka tanaty “sachet” teny Ambohijatovo ambony
24

2424.mg Actualité & Reportages

11 novembre 2026

ANTANANARIVO – Nafindra eny amin’ireo toby fandraisana tsy manan-kialofana ireo olona enim-polo mahery mipetraka tanaty “sachet” teny Ambohijatovo ambony

 

Famindra-monina. Nafindra toerana ireo olona tsy manan-kialofana nanorim-ponenana tao anaty trano gony sy “sachet” teny Ambohijatovo Ambony. Nidina teny an-toerana ny kaominina Antananarivo renivohitra, tamin’ny talata teo, nandrava ireo trano nipetrahan’ireo olona ireo an-taonany maro. Miisa iraika amby roapolo ireo trano noravana nandritra ny hetsika.

“Olona manodidina ny telo amby enim-polo no voakasiky ny famindrana”, hoy ny fanazavana avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. “Nafindra eny amin’ireo toby fandraisana tsy manakialofana Madcap eo Isotry sy eny Anosizato izay tohananin’ny kaominina izy ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.

Niroso tamin’ny fandorana ireo toeram-ponenana tsy ara-dalàna ireo ny kaominina taorian’izay. Nambara fa hetsika tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny endriky ny tanàna ity natao ity fa indrindra ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitandroana ny fahadiovana eny an-toerana.

Na eo aza anefa izany, nanamafy ny kaominina fa , “mbola anjaran’ireo olona voakasika ihany ny safidy amin’ny fanapahan-kevitra momba ny toerana hipetrahany manaraka, na ny hijanonana any amin’ireo toby natokana ho azy ireo, na ny hiverenana amin’ny fiainana an-dalambe”.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires