Social
FAHAPOIZINANA ARA-TSAKAFO – Mitsirika ny toeram-pivarotana hani-masaka sy ny toeram-pahandroana sakafo ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana
24

2424.mg Actualité & Reportages

05 novembre 2026

FAHAPOIZINANA ARA-TSAKAFO – Mitsirika ny toeram-pivarotana hani-masaka sy ny toeram-pahandroana sakafo ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana

Hetsika fiarovana sy fisorohana. Manomboka manao hetsika fitsirihana sy fanaraha-maso ireo toeram-pivarotana hani-masaka sy toeram-pahandroana sakafo ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Noho ny toetrandro efa manomboka mihamafana sy manorana no ambaran’ny avy ao amin’ny minisitera fa mahatonga azy miroso amin’ity hetsika fitsirihana sy fanaraha-maso ity.

“Tafiditra anatin’ireo arahi-maso akaiky amin’izao andro efa mihamafana, misy ny orana sy be loto miparitaka izao ireo gargotes, mpanao hotely, restaurant, mpanamboatra mofo, mpivarotra kafe sy mofo”, hoy ny minisitera. Tsiahiviny fa “anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fahapoizinana ara-sakafo” amin’ny vaninandro mafanna sy morana ary mora iparitahan’ny loto izao “ny fomba fikarakarana sy fitehirizana sakafo”.

Mpivarotra sakafo sy hanimasaka tany Antsiranana, Toliara, Farafangana, Manakara, Mananjary, Antsirabe, ary Sambava no nisantatra ny fidinana ifotony notanterahan’ireo mpanara-maso ny varotra sy ny avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’iny herinandro lasa iny. Natao laharam-pahamehana tamin’izany ny fitsirihana ireo entana sy akora fanamboarana ireo sakafo, ny fikarakarana sy ny fitahirizana azy. Naompana tamin’ny fampahafantarana ireo andininy sy ny fepetra rehetra tokony hataon’ireo mpivarotra amin’ny fikarakarana, ny fitahirizana ary ny famarotana ireo sakafo ihany koa ny fidinana natao.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires