Anisan’ireo olona 67 voalaza fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus i Benjara Andrianivo, na i Njara, raimpianakaviana, mpiasa ao amin’ny tontolon’ny fahasalamana amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray, monina ao Belanitra Zaivola, Ankadikely Ilafy. Rehefa naverina anefa ny fitiliana dia voaporofo fa tsy marary akory ny tenany. Tao anatin’izay fotoana izay dia nisedra fanilikiliana sy tondro molotra i Benja sy ny fianankaviany. Nanambara ireto farany fa sarotra tamin’izy ireo no nifandray tamin’ny fiarahamonina.
Mitantara ny niainany izany i Benjara Andrianaivo sy ny ankohonany.














