
2424.mg Actualité & Reportages
12 novembre 2026
HERINARATRA – 12 hatramin’ny 22 MW isan’andro no fahabangana amin’ny famokarana herinaratra ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo
Fahatapahan-jiro mifandimby maharitra adiny roa no iainan’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina efa ho herinandro izay. Tsy ampy 12MW hatramin’ny 22 MW isan’andro ny herinaratra vokarin’ny Jirama ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo ka mahatonga azy mampihatra indray ny “délestage”. Ankoatra ny fiiban’ny haavon’ny rano mampihodina ny tohodranon’Andekaleka dia mbola misy olana ihany koa ny milina mpihary herinaratra TAC 1 ao Ambohimanambola
Ny zoma 6 novambra no tafakatra hatramin’ny 22 MW io tsy fahampiana vokatra herinaratra ho an’ny tambajotra iraisan’Antananarivo io, raha toa ka ny andro talohan’io, izany hoe ny alakamisy 5 novambra, no nahitana fahabangana vokatra 12 MW. Niovaova hatrany ny tarehimarika tato anatin’ny herinandro, izay nahitana tsy fahampiana tanjaka 20 MW, 18 MW, 16 MW ary 14 MW.
Olana niseho ihany koa, ankoatra ny fahasimban’ny milina mpihary herinaratra iray ao Ambohimanambola sy ny fihiban’ny tohadranon’Andekaleka, ny tsy fahatomombanan’ny zotra 63 KV, mampifandray ny PIA Ambohimanambola amin’ny zanatoby ao Ambodivona. Faritra maro teto an-drenivohitra no tsy afaka nisitraka herinaratra androany, noho io zava-misy io. Antenaina ny famahana ireo olana ireo ao anatin’ny fotoana fohy araka izay tratra.

