Actualité
VATOVAVY – Mandidy ny hisamborana ireo milaza fa nirahiny hitrandraka volamena ao Mananjary ny Filohan’ny Fanavaozana Michaël Randrianirina
24

2424.mg Actualité & Reportages

09 novembre 2026

VATOVAVY – Mandidy ny hisamborana ireo milaza fa nirahiny hitrandraka volamena ao Mananjary ny Filohan’ny Fanavaozana Michaël Randrianirina

Nandidy ny hisamborana ireo olona mitrandraka volamena tsy ara-dalàna ao Andranomavo, distrikan’i Mananjary, ka milaza fa nirahiny ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Nolaviny ny fisian’izany iraka izany ary nampirisika ny vahoaka tsy hisalasala hisambotra ireo olona mampiasa ny anarany hanaovana izany asa tsy ara-dalàna izany. “Sambory izay milaza fa nalefako, na iza na iza », hoy izy.

« Eo isika dia mahita hoe iza ilay olona. Nalefako tokoa ve sa olona mpisandoka? Miasa amiko tokoa ve sa tsia?”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana nanohy ny teniny. Nohamafisiny fa tsy maintsy manana taratasy fanirahana avy amin’ny fitondram-panjakana ireo olona milaza fa iraka. Tsy tokony ho antony tsy hanenjehana azy ireo ny filazana fa akaikin’ny filohan’ny Fanavaozana izy ireo, hoy hatrany izy.

Nilaza ihany koa ny filoham-panjakana fa ho alain’ny fanjakana entina hanamboaran-dalana ireo fitaovana lehibe nampiasaina tamin’ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any Andranomavo. « Mitady fitaovana lehibe ny ministeran’ny Asa vaventy amin’ny fanamboaran-dalana ao Ikongo sy ireo lalam-pirenena hafa ka ho alaina ireo misitrisitrika any anaty ala any ka homena azy ireo tsy ho ela », hoy ny filohan’ny Fanavaozana.

Mety hisy ny fidinana ao amin’ny kaominina Andranomavo, distrikan’i Mananjary amin’ny fotoana tsy ampoizina momba ny fisian’ireo sinoa izay voalaza fa mitrandraka volamena tsy ara-dalàna ka mampiasa an’ireny fitaovana lehibe ireny.
Notsindrian’ny Filohan’ny Fanavaozana fa mampalahelo ny tsy maintsy hidinany mivantana eny ifotony hatrany vao misy ny fandraisana andraikitra sy milamina ny olana, na dia efa nisy aza ny baiko nomeny ny tompon’andraikitra amin’ny hisamborana ireo sinoa mitondra ireo fitaovana lehibe fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo izay mbola maro any anaty ala any. Nampifandraisiny amin’ny tsy fisian’ny fahazoan-dalana ara-dalàna nanomboka ny taona 2009 ihany koa ny olana maro mbola miantraika amin’ny sehatry ny fitrandrahana.

Connectez-vous pour laisser un commentaire.

Chargement des commentaires...

Articles similaires